ANGELUS - Anjelisy - Ny Anjelin'Andriamanitra nilaza tamin'i Maria

Ny Anjelin'Andriamanitra nilaza tamin'i Maria,
Ary i Maria nanana anaka tamin'ny Fanahy Masina.
ARAHABA, RY MARIA...

Inty aho ankizivavin'ny Tompo:
Aoka ho tanteraka amiko araka ny Teninao.
ARAHABA, RY MARIA...

Ary ny teny Tonga nofo.
Ary Izy niara-nonina tamintsika.
ARAHABA, RY MARIA...

Mivavaha ho anay, ry Reny masin'Andriamanitra,
Mba ho tonga mendrika ny nampanantenain'i Jesoa Kristy izahay

Aoka isika hivavaka:

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, arotsahy ao am-ponay ny fahasoavanao ;
ary satria nolazain'ny Anjely ka fantatray fa tonga nofo i Kristy zanakao,
dia aoka ny nijaliany sy ny nahafatesany
hahamendrika anay hitsangan-ko velona amim-boninahitra.
Amin'ny alalan'i Kristy Tomponay.
Amen
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0075