Miandrandra anao, ry Tompo, ny malahelo

Miandrandra anao, ry Tompo, ny malahelo:
ianao no antenaina, ianao irery.

1. Ny fanompoako anao, ry Tompo, no anesoana ahy,
no mahasafo-kenatra ny tavako;
ka vahiny amin'ireo rahalahiko aho,
tsy fantatry ny zanak'ineny.

2. Entanin'ny fitiavana ny tranonao aho,
ka ny aiko avy no ataoko tsy ho zavatra;
indro fa miantehitra amiko
ny latsan'ireo mpandatsa anao.

3. Mivavaka aminao, ry Tompo,
ka iantrao, ry Andriamanitra ô;
vonjeo noho ny hatsaram-ponao,
avoty noho ny fahamarinanao.

4.Ory mafy sy mijaly aho
no arovanao Andriamanitra mahery;
ka hidera sy hihira ny anaranao,
hankalaza sy hisaotra anao.

5.Voatsimbinao ny ory ka mifaly,
velona izay mitady an'Andriamanitra;
fa mihaino ny mahantra ny Tompo,
tsy mahay manamavo ny voababo.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 176
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227