Hobio, derao fa be indrafo ny Tompo tsitoha, aleloia

Nampiditra: j_rahasa
Sokajy: Salamo,


  • Fihirana Vaovao p. "177

Hobio, derao fa be indrafo ny Tompo tsitoha, aleloia.

1. Ireo miantsambo an-dranomasina
sy manao ny raharahany eny ambony ranobe,
dia he mahita ny asan'ny Tompo
sy ny zava-mahagaga ataony amin'ny lalina.

2. Miteny izy, dia iny ny rivo-mahery:
misavoana ny onjan-drano, ka manakatra ny lanitra.
Dia midina hatrany amin'ny lalim-be,
ny fanahin'izy ireo fadiranovana, toa mitempo.

3. Dia mitaraina amin'ny Tompo fa mijaly,
ka afahany amin'ny fahoriana:
ny rivo-doza, ovàny ho tsio-drivotra,
ny onja-dranomasina, ataony mangina tampoka.

4. Faly ny tantsambo fa nitony ireny,
ary izy kosa tody an-tseranana nirina.
Aoka izy hisaotra ny Tompo noho ny hatsaram-pony
sy ny zava-mahagaga vitany ho an'ny olombelona


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay