Andriamanitra ô, mangetaheta anao ny fanahiko

Andriamanitra ô, mangetaheta anao ny fanahiko.

1. Andriamanitra, Andriamanitro ô, maniry anao aho,
mangetheta anao ny fanahiko,
matimaty aminao ny nofoko,
mova tsy tany maina mangetana, maniry rano.

2. Toy ny nahitako anao tao amin'ny toerana masina,
sy nibanjinako ny hery sy voninahitrao,
fa mamy noho ny aina ny hatsaram-ponao,
ka faly aho, ry Tompo, mankalaza anao.

3. Hisaotra anao aho, raha mbola velona aina,
hanandra-tanana amin'ny anaranao,
ka ny fanahiko ho sambatra sy tretrika,
ny vavako hidera sy hihoby anao.

4. Eo am-pandriana avy aho no amahatsiahy anao,
tontolo alina, any aminao ny eritreritro:
fa ianao no mpiambina ahy,
mibitsaka aho alofan'ny elatarao.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 178
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095