Ny andro niantsoako ny anaranao, nanoina ianao, Tompo ô
Ny andro niantsoako ny anaranao,
nanoina ianao, Tompo ô.
1. Tompo ô, midera anao amin'ny foko tontolo aho,
satria ianao mihaino ny teniko;
miantsa eo anatrehan'ny anjely aho,
miankohoka mitodika ny tempolinao masina.
2. Misaotra ny anaranao aho
noho ny hatsaram-ponao sy ny fahamarinanao;
fa nataonao lehibe ny anaranao,
sy ambonin'ny zava-drehetra ny teninao.
3. Avo ny Tompo, ka mahita izay manetry tena,
ny mpiavona kosa ataony tazan-davitra;
raha mamakivaky fahavalo aho,
ny aiko arovanao, Andriamanitra.
4. Ny tananao mitsotra sy mamonjy;
ny Tompo no mpamaly izay ratsy atao ahy,
Tompo ô, mandrakizay ny hatsaram-ponao,
aza atsahatra ny efa ataon'ny tananao.