Ny tananao, ry Tompo, mamelona isan'andro ny zanakao

Ny tananao, ry Tompo,  
mamelona isan'andro ny zanakao.

1. Antra sy mangoraka ny Tompo,
be hatsaram-po, tsy malaky tezitra;
tsara fo amin'ny olon-drehetra,
be fitiavana amin'ny ataony.

2. Tompo ô, midera anao ny asanao rehetra,
misaotra anao ny mpivavaka:
mankalaza ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
mankasitraka ny asan-tananao.

3. Miandrandra anao ny olona rehetra,
fa ianao manome azy ny sakafo ara-potoana;
avelatrao ny tananao,
dia fenoinao zava-tsoa ny manana aina rehetra.

4. Marina amin'ny ataony rehetra ny Tompo,
manambara fitiavana ny asany;
izy eo akaikin'izay rehetra miantso azy,
dia izay rehetra miantso azy marina.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 195
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0556