Ny vahoakan'Andriamanitra anjara lovany, ka sambatra tokoa

Nampiditra: j_rahasa
Sokajy: Salamo,


  • Fihirana Vaovao p. "200

Ny vahoakan'Andriamanitra
anjara lovany, ka sambatra tokoa.

1. Hobio ny Tompo,ry olo-marina,
dia ilay mendrika hoderaina.
Ny lanitra no vita, dia noho ny tenn'ny Tompo,
ny tafiny rehetra, dia noho ny fofon'ainy.

2. Miteny izy, mahavita,
mandidy, mahatalanjona.
Sambatra ny firenena tahin'ny Tompo Andriamanitra
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany.

3. Indro ny Tompo mijery sy miantra izay matahotra azy,
sy izay matoky ny hatsaram-pony:
hanafaka azy ireo amin'ny fahafatesana
sy hamelona azy amin'ny andro mosarena.

4. Ny fanahinay manatena ny Tompo, 
ampinganay izy sy aronay.
Ho aminay anie ny hatsaram-ponao, ry Tompo,
araka ny itokianay anao.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay