Tany Fatimà ianao, ry Maria ô, nanafatra hoe

Tany Fatimà ianao, ry Maria ô,
Nanafatra hoe: Mibebaha, miovà.

1. izany hafatrao: tsy ararakay an-tany;
Hibebaka izahay: mivavaha ho anay.

2. Ilay fonao madio, hanova ny fonay
Ho lapan'i Jesoa: mivavaha ho anay.

3. Ampio handresy tena, ho tia an'ny Ray,
Ho tia ny namanay: mivavaha ho anay.

4. Sitrano ny marary, vonjeo izay mijaly.
Henoy ny antso hoe: mivavaha ho anay.

5. Ho any am-paradisas, hiaraka aminao,
Hahita an'i Jesoa: mivavaha ho anay.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Masina Maria
Fihirana Vaovao p. 310
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0089