Tsarovinao, reny tsara, fa izahay zanakao

1. Tsarovinao, reny tsara, fa izahay zanakao
Vesaran'ota ka mijaly: mba mivavaha ho anay.

2. Ny vatanay tsy salama, ny sainay mety diso,
Ny herinay mora lany: mba mivavaha ho anay.

3. Indraindray ny demony maka fanahy, manadala,
Nefa izahay tsy ho kivy: mba mivavaha ho anay.

4. Ny vavakao vonjinay, ny tananao andrinay,
Ny Zanakao zokinay: mba mivavaha ho anay.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Masina Maria
Fihirana Vaovao p. 420
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091