Ô, avereno aminao izahay, ry Andriamanitra Ray

Ô, avereno aminao izahay,
ry Andriamanitra Ray,
Ampamirapirato ny tavanao,
dia ho voavonjy izahay.
Aleloia, aleloia.

(Sal. 94) 

1 Avia mifalia ka hobio ny Tompo,
 Ilay vatolampy sy vonjintsika.
 Andeha mankeo anoloany hisaotra,
 Hihira sy hiantsa ary hankalaza azy.
 
2 Fa izy Andriamanitra sady Tompo,
 Mpanjakan'ireo andriamani-kafa.
 Ny atin'ny tany eo am-pelatanany,
 Ny tampon'ny vohitra azy koa.
 Nataony ka azy ny ranomasina,
 N'tanety azy koa fa asan-tanany.
 
3 Avia miondreha ary miankohofa
 Hitsaoka ilay Tompo nanao antsika.
 Fa izy no tena Andriamanitsika,
 Isika vahoaka sy ondry fiandriny.
 
4 Hihaino azy ve ianareo anio?
 Fa izao no ambarany sy lazainy:
 Aza dia mafy fo toy ny tany an'efitra,
 Toy ny tany Masà sy tany Meriba.
 
5 Ny razanareo dia nitsapa ahy!
 Kanefa nahita ny asa vitako.
 'Ty taranaka ity efapolo taona
 Dia nahatofoka ahy, nahatezitra ahy.
 
6 Vahoaka mpaniasia tokoa ity,
 Tsy mety hahalala ny tena lalako;
 Koa tezitra aho ka nianiana
 F'ireto tsy hiadana miaraka amiko.
 
7 'Ndeha isika hisaotra ny Tompontsika,
 Ny Ray be fitia 'zay nifidy antsika.
 Ny Zanany nentiny niantso antsika,
 Fanahiny kosa nomeny antsika!

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 245
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092