Ho faly ianareo mandinika mitady ny Tompo tsitoha

Nampiditra: j_rahasa
Sokajy: Salamo,


  • Fihirana Vaovao p. "188

Ho faly ianareo mandinika mitady ny Tompo tsitoha:
Tsilovin'ny Ray ka velona, ho sambatra mandrakizay.

1. Ny fanompoako anao, ry Tompo, no anesoana ahy,
no mahasafo-kenatra ny tavako;
ka vahiny amin'ireo rahalahiko aho,
tsy fantatry ny zanak'ineny.

2. Entanin'ny fitiavana ny tranonao aho,
ka ny aiko avy no ataoko tsy ho zavatra;
indro fa miantehitra amiko
ny latsan'ireo mpandatsa anao.

3. Mivavaka aminao, ry Tompo,
ka iantrao, ry Andriamanitra ô;
vonjeo noho ny hatsaram-ponao,
avoty noho ny fahamarinanao.

4.Ory mafy sy mijaly aho
no arovanao Andriamanitra mahery;
ka hidera sy hihira ny anaranao,
hankalaza sy hisaotra anao.

5.Voatsimbinao ny ory ka mifaly,
velona izay mitady an'Andriamanitra;
fa mihaino ny mahantra ny Tompo,
tsy mahay manamavo ny voababo.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0212 s.] - Hanohana anay