Ry Tompo, mba jereo 'zahay vahoakanao miandrandra anao.

Ry Tompo, mba jereo 'zahay vahoakanao 
miandrandra anao.

(Sal. 122)

1. Miandrandra anao, hao,
ry ilay any an-danitra:
Ny masonay miandrandra ny Tompo Andriamanitray
mandra-piàntrany anay.

2. Toy y mason'ny ankizilahy
miandry baiko avy amin'ny tompony;
toy ny maso'ny ankizivavy
miandry ny sitraky ny tompony

3. Eny, iantrao izahay, ry Tompo ô,
iantrao fa tofoky ny eso;
Eny, efa leon'ny tebaky ny mpanana,
efa leon'ny eson'ny mpiavonavona.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 185
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1082