Miakatra an-danitra i Jesoa mpamonjy: aleloia

Nampiditra: j_rahasa
Sokajy: Salamo,


  • Fihirana Vaovao p. "147

Miakatra an-danitra i Jesoa mpamonjy: aleloia.

(Sal. 46)

1. Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana,
   miderà an'Andriamanitra, manaova hobim-pifaliana:
   fa mahatahotra ny Tompo avo indrindra
   mpanjaka lehibe amin'ny tany tontolo.

2. Andriamanitra miakatra arahaina hoby,
   misandratra amim-peon'anjomara:
   antsao ny Tompo, antsao,
   hobio ny mpanjakantsika, hobio.

3. Mpanjakan'ny tany tontolo Andriamanitra,
   koa hobio aminn'y antsa mirindra:
   Andriamanitra manjaka amin'ireo firenena,
   mitoetra amin'ny fiketrahany masina.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1014 s.] - Hanohana anay