Nanala antsika tamin'ny fahefan'ny haizina Andriamanitra Ray

Nanala antsika tamin'ny fahefan'ny haizina
Andriamanitra Ray,
Ka namindra antsika amin'ny Fanjakan'ny Zanany malala,
ilay ahazoantsika ny fanavotana
sy ny famelan-keloka

(Sal. 134)
 
1 Ka derao e ny anaran'ny Tompontsika!
 Ry Mpanompon'ny Tompo samia midera.
 Ianareo 'zay mitoetra ao an-tranony ao,
 Ao an-kianjan ny Tompo Andriamanitsika!
 
2 He! derao 'zany hasoan'ny Tompontsika!
 'Zany anarany mamy e, redony an'antsa!
 I Jakôba voafidin'ny Tompo ho azy;
 Ka nataony fananany i Israely.
 
3 Dia fantaro fa ambony, lehibe ny Tompo,
 Ka mihoatra an'ireo andriamani-kafa.
 Fa izay sitrapony dia tontosainy,
 Any an-danitra ambony sy eto an-tany.
 
4 Ranomasina sy hantsam-be rehetra,
 Dia samy anehoany ny sitrapony.
 'Rony rahona akariny hitatao
 Ka ny ora-manelatra manjopiaka!
 
5 'Tony rivotra tsofiny hivoaka hiala
 Avy amin'ny toerany nitobiany!
 Dia nasiany ny lahimatoa rehetra,
 Na ny biby na ny olona tao Ejipta.
 
6 Famantarana maro sy fahagagana
 No nalefany hamely an'i Faraôna;
 Dia nikapoka maro amy firenena,
 Nahafaty mpanjaka mahery vaika!
 
7 Ry Sihôna mpanjakan'i Emoria,
 Sy ry Oga mpanjakan'ny ao Basàna.
 Ka ny tanin'ireny nomeny ho lova,
 Ho lovan'ny vahoakan'i Israely!
 
8 Hoderaina ny anaran'ny Ray Nahary
 Fa Mpanjakan'ny lanitra sy ny tany
 Omen-dera ny Zanany lahimatoa
 Ary koa ny Fanahy 'zay mpanolo-tsaina.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 427
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8599