Nasandratra ho eo ankavanan'ny Ray ny Zanak'Andriamanitra

Nampiditra: j_rahasa
Sokajy: Salamo,


  • Ankalazao ny Tompo p. "45
  • Fihirana Vaovao p. "180

Nasandratra ho eo ankavanan'ny Ray
ny Zanak'Andriamanitra;
Mihoby ny voninahiny ny tany manontolo

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana
Miderà an'Andriamanitra amin'ny hobim-pifaliana!

Fa mahatahotra ny Tompo avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin'ny tany tontolo!

Vahoaka maro, ataony ambaninay;
fokom-pirenena ambany tongotray!

Izahay nofidiny ho lovany
i Jakoba olon-tiany, ho reharehany.

Andriamanitra miakatra, arahina hoby
ny Tompo misandratra amim-peon'anjomara.

Antsao Andriamanitra! Antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika! Antsao!

Fa mpanjakan'ny tany tontolo Andriamanitra:
koa antsao amim-pirindrana!

Andriamanitra manjaka amin'ireo firenena
Andriamanitra mitoetra am-piketrahany masina.

Andriam-bahoaka maro no mikambana
amin'ny vahoakan'ny Andriamanitr'i Abrahama

fa Andriamanitra, Andriambaventin'ny tany,
indro voasandratra ambony dia ambony!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.1630 s.] - Hanohana anay