Nitotorebi-kafaliana ny mpiandry ondry

Nampiditra: j_rahasa
Sokajy: Noely, Masina Maria,


  • Ankalazao ny Tompo p. "346
  • Vavaka sy Hira p. "428
  • Fihirana Vaovao p. "24

Nitotorebi-kafaliana ny mpiandry ondry e,
Nitotorebi-karavoana ireo Majy e,
Noho izay rehetra hitany;
Noho izay rehetra reny.
Rakotry ny feo naeliny e ny tany tontolo e!
 (Lk. 2, 20)

(Lk. 1, 46-55)
 
1 Ny foko midera ny Tompontsika,
 Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
 Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
 'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
 
2 Fa indro manomboka ankehitriny
 Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
 Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
 Ilay hoe "Ny Masina no anarany".

3 'Lay mandrakizay ny indrafony
 Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
 'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry,
 Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.
 
4 Manongana ireo izay mpanjakazaka
 Kanefa manandratra ireo ambany;
 Manototra soa an'ireo noana
 Fa mampody maina an'ireo mpanana.
 
5 Mpanarina an'i Israely olony
 Satria mahatsiaro ny indrafony
 Nampanantenainy ny razantsika
 Ho an'i Abrahama sy izay taranany.
 
6 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
 Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
 Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
 Ho mandrakizay alaovalo!


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0076 s.] - Hanohana anay