Ato anaty hantsana aho, ry Iaveh, no miantso Anao

Nampiditra: j_rahasa
Sokajy: Salamo,


  • Vavaka sy Hira p. "365
  • Fihirana Vaovao p. "71

(Sal. 129)

Ato anaty hantsana aho, ry Iaveh,
no miantso Anao;
Tompo ô, henoy ny feoko.

1. Raha Ianao no mitana ny hadisoana, ry Iaveh,
Iza, Tompo, no hifanandrina aminao?
Saingy mpamindra fo Ianao,
Ka sady mtahotra no sho manantena.

2, Iaveh, Ianao no antenain'ny fanahiko,
Ny teninao no itokiako:
Miandry mafy ny Tompo ny fanahiko,
Mihoatra ny iandrasan'ny mpiambina ny andro maraina.

3. Mihoatra be ny iandrasan'ny mpiambina ny andro maraina.
No iandrasan'i Israely Anao, ry Iaveh:
Satria Ianao no famindram-po,
Satria Ianao no famonjena tsy misy fetra.

4. Fa Ianao, Ianao ihany no famonjena ho an'i Israely,
Famonjena amin'ny helony rehetra:
Ka atongilano ny sofinao,
Antongilano hihaino ny fitalahoako.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0083 s.] - Hanohana anay