Fony mbola fahazaza

Nampiditra: j_rahasa
Sokajy: Salamo,


  • Ankalazao ny Tompo p. "394
  • Vavaka sy Hira p. "365
  • Fihirana Vaovao p. "33

Fony mbola fahazaza
Dia nipetraka tany Nazareta i Jesoa 
Ary nanaiky an'i Maria sy Josefa. 
(Mt. 11, 29)

(Sal. 130)
 
1 - Tsy mba miavona ny foko, ô ry Tompo ô,
Ka ny masoko mijery tsy mianjona !
Ireo zavatra vaventy tsy enjehiko,
Ireo avo tsy sahaza halaviriko !
 
2 - Afa-diana ny fanahiko : mamitsaka,
Toy ny zaza afa-po an-tratran-dreniny !
Matokia ny Tomponao, ô ry Jakoba ô,
Hatrizao sy amy taona tsisy fetrany !
 
3 - Ô ry Ray, Ianao mpiahy ny madinika,
Ô ry Zanaka mpitondra fahafahana !
Ry Fanahy, loharanom-piadanana,
Ny fanahiko no miantsa : Voninahitra !


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0304 s.] - Hanohana anay