Mandalo fanavaozana kely ny takelaka ka mety misy tsy fahatomombanana vitsivitsy. Eo am-panitsiana izy ireny isika koa misaotra amin'ny faharetana.

Ho zary famantarana hotoherina ity Zaza ity

Ho zary famantarana hotoherina
ity Zaza ity, ry Maria,
Hahatonga fandavoana na fananganana
Ho an'ny besinimaro.  
(2Tim. 4, 16-17)

(Sal. 124)
 
1 'Zay matoky ny Tompo tsitoha,
 Ho sahala amy Jerosalema!
 Marim-pototra toa vatolampy,
 Tsy hihontsona mandrakizay.
 
2 I Siôna tanàna mimanda,
 Voahodidina vohitra avo;
 Fa ny Tompon'ny tafika kosa
 No mba mandan'ireo nofidiny!

3 Tsy hanjaka amin'olo-mahitsy
 Raha ny herin'ny ratsy fanahy,
 'Ndrao ny marina koa no ho lavo,
 Ho voatarik'ireo olon-dratsy!
 
4 "Hasoavy ny olo-mahitsy,
 Fa ireo 'zay mandika ny didy:
 Akipaho miaraka amin'ny ratsy;
 Andriamanitra marina ianao.
 
5 Aoka hiadana i Israely
 Mba hisaorany anao, ô ry Ray;
 Zanakao no miandany aminay:
 Manan-kery handresena izahay!"

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 364
Ankalazao ny Tompo p. 394
Vavaka sy Hira p. 360
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.008