Niorim-ponenana tety anivontsika ny Zanak'Andriamanitra

Niorim-ponenana tety anivontsika
Ny Zanak'Andriamanitra
Ka soroka miara-milanja
Ary tongotra miara-mamindra amintsika
Ny Zanak'Andriamanitra.
(Jn. 1, 14)

(Sal. 123)
 
1 Raha toa ka ny Tompo tsy momba antsika,
 Mba lazalazo re, ry Israely!
 Raha toa ka ny Tompo tsy momba antsika,
 Raha tonga nanenda ny fahavalo,
 Nateliny velona teo isika
 Fa vinitra loatra 'reo mpankahala.

2 Nisamboaravoara ny onjan-drano,
 Nandrendrika izany fanahintsika.
 Kanefa isaorana izy Tompo:
 Tsy foiny ho rembin'ireny isika!
 Toa fody afa-pandrika isika 'zao!
 He! Rovi-karato ka afa-doza!
 
3 Ny anaran'ny Tompo no fitahiana,
 Fa vitany mora ny zava-boaary.
 Endrey ny fitiavan'ny Ray antsika:
 Ny Zanany efa nomeny antsika,
 Natsangany ho zanany koa isika,
 Nomeny Fanahy hampiray antsika.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Ankalazao ny Tompo p. 348
Vavaka sy Hira p. 359
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1597