Njao e misy miantso an-danitra any

Nampiditra: j_rahasa
Sokajy: Salamo,


  • Vavaka sy Hira p. "342
  • Ankalazao ny Tompo p. "343

Njao e misy miantso an-danitra any
Ianao e no Zanako e!
(Mk. 1, 11)

(Sal. 112)
 
1 Derao, ry mpanompon'ny Tompo, (aleloia...)
 Derao ny anaran'ny Tompo;
 Tsarovy ny anaran'ny Tompo,
 Na izao na ho mandrakizay.
 
2 Tongava marain-tsy hariva
 Hidera ny anaran'ny Tompo.
 Ambonin' ireo firenena:
 Ny lazany avo dia avo!
 
3 Moa misy mitovy amy Tompo?
 Ny Tompo mitoetra any ambony,
 Ka miondrika izy mijery,
 Na lanitra izany na tany.
 
4 Alàny amy fako ny ory,
 Esoriny avy eo ny mahantra:
 Apetrany anilan'andriana,
 Andriana izay fanta-bahoaka.
 
5 Ny momba amponeniny an-trano:
 Niteraka maro ka faly.
 Isaory ny Ray tia antsika:
 Ny ainy efa nomeny antsika.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0074 s.] - Hanohana anay