Avia mba hihoby ny Tompontsika

Nampiditra: j_rahasa
Sokajy: Salamo,


  • Ankalazao ny Tompo p. "160
  • Vavaka sy Hira p. "332
  • Fihirana Dera p. "195

Avia mba hihoby e,
Avia mba hihoby ny Tompontsika e,
Hobio Andriamanitra,
Hobio ny Andriamanitsika e,
Ilay Vatolampy ô,
Ilay Vatolampy namonjy antsika.

(Sal. 99)
 

1 Hobio izy Tompo, ry tany tontolo,
 Ka fo falifaly anompoana ny Tompo,
 Tongava eo aminy mihira, miravo.
 
2 Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
 Fa azy isika satria nohariany
 Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
 
3 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
 Ny ao an-kianjany idiro amin-dera,
 Derao izy Tompo, ny anarany isaory.
 
4 Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
 Am'taona rehetra ny fahamarinany.
 
5 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,
 Hihoby 'lay Zanany ombam-pahefana,
 Derao ny Fanahy manamasina antsika.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0075 s.] - Hanohana anay