Mifalia ao amin'ny Tompo

Nampiditra: j_rahasa
Sokajy: Salamo,


  • Vavaka sy Hira p. "332

Mifalia ao amin'ny Tompo, 
eny, mifalia. 
(Fil. 4, 4)
(Sal. 99)
 

1 Hobio izy Tompo, ry tany tontolo,
 Ka fo falifaly anompoana ny Tompo,
 Tongava eo aminy mihira, miravo.
 
2 Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
 Fa azy isika satria nohariany
 Sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
 
3 Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
 Ny ao an-kianjany idiro amin-dera,
 Derao izy Tompo, ny anarany isaory.
 
4 Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
 Fa mandrakizay ny fitiavany antsika,
 Am'taona rehetra ny fahamarinany.
 
5 Andeha isika hiara-mitsaoka ny Tompo,
 Hihoby 'lay Zanany ombam-pahefana,
 Derao ny Fanahy manamasina antsika.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0077 s.] - Hanohana anay