Raha ilay nangina iny ny zavatra rehetra

Raha ilay nangina iny ny zavatra rehetra
Ay nisasaka tsara ny alina,
Dia nidina avy eo amin'ny fiketrahanay
Any an-danitra, ry Tompo ô,
Ny Teninao mahefa ny zavatra rehetra.

(Sal. 92)

1 Manjaka ny Tompo,
voninahitra no lambany;
hery no akanjomy
ary etrany.

2. Nataony mafy orina ny tany aman-danitra,
ka tsy mba hiontsona

Mijoro hatramin'ny fiandohany ny fiketrahanao,
efa hatramin'ny mandrakizay Ianao.

3. Mihoatra ny feon'ny ranobe,
marevaka noho ny onjan-driaka.
Marevaka ao ambony ao
ny Tompo Andriamanitra.

4. Eny mafy orina hatrizay ny fiketrahanao,
ka midera Anao ireo olomasina.
Ao an-tranonao, ry Tompo,
hatramin'ny taona mifandimby.

Nampiditra j_rahasa
Sokajy Salamo
Fihirana Vaovao p. 25
Vavaka sy Hira p. 325
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1817