1. Ireo zavaboaary nomenao hozakainay... Kyrie
Nosimbainay, nopotehinay, nodoranay,
Na rano izany na rivotra na tany,
Ny zava-manana aina izao efa mila ho ringana,
'Reo taranakay ihany no finganinay,
Ka mifona re 'zahay e!
Kyrie eleison!
2. Ireo ory tsy havan'ny manana... Kriste
Ny samy maka ho azy indray no nampanjakainay,
Ny olombelona avy ataonay tsinontsinona,
Hararaotinay tsy mba misy fandeferana,
Sahinay hatramin'ny mifofo aina,
Ka mifona re 'zahay e!
Kriste eleison!