Ianao, ry Jesoa, no niantso ahy

Ianao, ry Jesoa, no niantso ahy
Ianao, ry Jesoa, no nifidy ahy
Ianao, ry Jesoa, no namonjy ahy
Tamin'ny lalam-piainana iny.

1, Niantso ahy e, inty aho, Tompo ô,
Nifidy ahy ho mpanotrona,
Hamaky teny ny Evanjelinao
Mba ho famonjena izao tontolo izao.

2. Niantso e, ho mpanomponao,
Nifidy ahy ho mpisorona,
Hizarazara fanomezan-tsoa
Ho an'ireo vahoaka mino anao tokoa.

3. Niantso ahy, moramora ihany,
Nifidy ianao e, vitsivitsy ihany,
Ampio 'zahay hiombona fitia
Amin'ny fiainana mandalo ity.

4. Misaotra anao 'zahay, Tompo ô,
Fa be tokoa ny ftiavanao,
Nijaly ianao ho famonjena anay,
Olombelona izahay navotanao.

Nampiditra j_rahasa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095