Ny Teninao ry Ray (JMJ 2015)
Fanevan'ny JMJ Mada 8 ( Fianarantsoa )
1- Ny teninao ry Ray, manazava sy milaza
F'izay madio Tanana, sy izay mazava Fo
No afaka hiakatra ilay vohitra malaza
Higoka hasambarana tsy manam-paharoa (x2)
Sambatra e, zay madio Fo, Fanahy amam-batana
Fa tsy mora ny miady amin'ny fakam-panahy misakana
Fiv :
Sarotra ny lalana iantsoanao anay
Lalan'ny fitiavana, Lalanao ry Ray
Ampio izahay Tanora fa te hiaraka aminao
Ho sambatra e ..., fa hahazo fiainam-baovao
2- Nanambara ianao ry Jesoa Kristy
Hoe tsy mbola nisy nahita ny Ray
Ianao no nampianatra anay hifankatia
Mba ho mendrika anay ny mandrakizay (x2)
Sambatra e, zay madio amin'ny fihaino sy fijery
Fa ny fiainana anaty mihintsy no tsy mba very
Fiv :
Sarotra ny lalana iantsoanao anay
Lalan'ny fitiavana, Lalanao ry Ray
Ampio izahay Tanorafa te hiaraka aminao
Ho sambatra e ..., fa hahazo fiainam-baovao
3- Fanentananao anay ry Fanahy Masina ô
No ahafahanay miantso ny anaran'Andriamanitra
Sy mijoro an-kasahiana fa tsy ankinafinafina ô
Ho vavolombelon'ny fiainana any an-danitra (x2)
Sambatra e, ireo madio ny fitafiny amin'ny ràn-janak'ondry
Fa tsy maintsy miaritra ny mafy izy ireo vao mahomby
Setriny:
Ry Reny madio indrindra ô, ampio izahay Tanora
Ry Anjely mpiambina anay ô, tantano ny dia fa tsy mora
Md Joany Paoly faharoa ô, mivavaha ho anay
Sambatra e ... ny madio fo fa hahita ny Ray