Tompo ô, mamindrà fo aminay e - Tsy afaka mamonjy ahy ny tontolo

1. Tsy afaka mamonjy ahy ny tontolo
K'ity aho mifona aminao;
Mangata-bonjy ombam-pamelana
fa maro ny ota natao,
'Ty ondry very nihoatra ny fefy,
nihoatra ny valam-pitia.
Vohay varavarana / ampandrosoy e!
Mihanta aminao izahay:
Tompo ô, mamindrà fo aminay e!

2. Nanentsin-tadiny tsy nety nihaino
ny tokim-pitiavanao,
Nihevi-tena nilaza ho mahery
Kinanjo aho lavo izao:
'Ty ondry very nihoatra ny fefy,
nihoatra ny valam-pitia.
Vohay varavarana / ampandrosoy e!
Mihanta aminao izahay:
Kristy ô, mamindrà fo aminay e!

3. Ianao no lalana sy fahamarinana,
ianao no fiainana,
Izay tsy miray amin'ny foto-boaloboka
maina sy mangaihay.
'Ty ondry very nihoatra ny vala,
maniry hiverina indray.
Vohay varavarana ampandrosoy e!
Mihanta aminao izahay:
Tompo ô, mamindrà fo aminay e!
Nampiditra j_rahasa
Sokajy Fifonana
Fihirana Hasina p. 830
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0152