Ity 'lay andro nataon'ny Tompo (1)
Ity 'lay andro nataon'ny Tompo,
 Andro natao mba hifaliana sy hiravoana,
 Andro nataon'ny Tompo.
 
(Sal 117)
 
1 Derao ny Tompo fa tsara indrindra:
 Mandrakizay ny hatsaram-pony.
 Lazao, ry fokon'i Israely:
 Mandrakizay ny hatsaram-pony e.
 
2 Maneho hery ny tànan'ny Tompo,
 Nanandratra ahy ny tànany masina.
 Tsy maty aho fa velona
 Mba hitanisa ny asan'ny Tompo e.
 
3 Ny vato narian'ny mpanao trano
 No indro tonga vato fehizoro.
 Ny Tompo ihany no mahavita izany,
 Ary zava-mahagaga eo imasontsika e.

