Raha hitan'i Maria sy i Zôzefa (Josefa) tao an-tempoly i Jesoa
Raha hitan'i Maria sy i Zôzefa tao an-tempoly
I Jesoa dia niteny azy ireo hoe:
"Tsy fantatrareo va
Fa tsy maintsy ho amin'ny Raiko aho?" (Lk. 2, 19)
(Sal. 147)
1 Ry Jesoralema, aoka ianao hiantsa,
Derao Andriamanitra, ry Siôna.
2 Ilay manamafy ny vavahady
Miahy ireo ankizy ao anatinao;
3 Miantoka anao handry fehizay,
Manetsaka anao mena-bary kanto;
4 Mandefa ny didiny ho etý an-tany,
Dia teny miriotra tsy hay tohaina;
5 Mandatsaka oran-toa volonondry,
Mamafy fanala mangasohaso;
6 Mandraraka ireo vongan-dranomandry,
Mandefa ny hatsiaka hampivaingan-drano;
7 Miteny izy anefa dia miempo ireny
Mitsonika mora dia lasa rano;
8 Nametraka ny hafany ho an'i Jakôba,
Ny didy aman-tsatany ho an'i Israely.
9 Tsy misy olon-kafa nomeny izany.
Ny satany manko nafeniny azy.
10 Isaory ny Ray izay nifidy antsika,
Ny Zanaka Teny nomeny antsika;
11 Natolony antsika ny fanjakany,
Satria ny Fanahiny momba antsika.