Masina Maria Tany Lasalety

1 – Masina Maria Tany Lasalety
Nilaza hafatra tamin’ireo Ankizy
Ary niantso niteny tamin’izy ireo :
“Avia manantona f’aza matahotra,”
Andao hiaraka hihavana amin’Andriamanitra.

I Maria Reny, nanafatra mafy nilaza azy :
    (Raiso ny hira soa indrindra ny hira)
Mivavaha isika
    (Hozana, Hozana, nohosoavina anie)
Olona rehetra
    (Hozana, Hozana, nohosoavina anie)
Hibebaka sy hiova fo
    (Hozana, Hozana, nohosoavina anie)
Hijoro ho Kristianina
    (Hozana)
Ary manatona f’aza matahotra, 
    
(Hozana, Hozana, nohosoavina anie)
Andao hiaraka hihavana amin’Andriamanitra
    (Hozana)
    
(Amen ! ) 

2 – E! ka ilazao ny olona rehetra izao hafatra izao :
Mivavaha hono, ary miovà isika rehetra ety.
Vahoaka sy andian’ondriny isika
Iray Kijana eo an-tanim-bilony.

3 – Masina Maria nanafatra hoe :
Manonja loatra ny tanan-Janany
Ka ho avela hianjera amintsika
Raha tsy mivavaka ny olona rehetra. 

Nampiditra Solofo74
Sokajy Masina Maria
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0193