Tontolo iainana manakory no ambelantsika ho an'ny taranaka (MCCP - Maroantsetra - Sept. 2017)

Tontolo iainana karahakory e                                                                       
No ambelantsika ho an’ny taranaka e e ia

Ity tany ity, tontolo misy antsika ity ie ia
Trano iombonantsika a,
Mila karakaraina izy io ô, mba hiadanantsika
Mitaraigny fa marary e,
vokatry ny nataontsika e

Valanjava-boahary e
Mila karakaraina izy io ô, mba hiadanantsika
Mikorotana tontolo iainana e
Karazan’aretina maro be
Vokatra fanimbantsika anazy e
Tandremo fa mandrora mantsilagny e

Tontolo iainana karahakory e                                                                       
No ambelantsika ho an’ny taranaka e e ia

Andao zalahy
atsika tsy ankanavaka e ia
Hanamboatra ny hoavy,
tsy anavahana saranga

Ndraiky sokajin’olo,
Atsika jiaby miara miainga

Hagnomagna ny hiadanana e

Tontolo iainana karahakory e                                                                       
No ambelantsika ho an’ny taranaka e e ia

Zao e,
koragnina amintsika jiaby,
Asa loha hiombonana
ny fitsinjovagna ny taranaka avy afara

Tsisy afaka miala
na zaza, 
na tanora, 
na olo maventy

Andao hifagnamia tanana,
hifanakalo hevitry

Anatin’ny mangarahara,
tsisy ôlo havahana

Na ino antokom-pinoagnanao
na ino saranganao

Tsy tombontsoa manokana katsahigny,
fa tombontsoa iombonana

Izay katsahintsika e,
koragniny amin’ny taranaka jiaby avy afara zegny

Azafady e!!!

Interlude

Tontolo iainana lavorary e ia,
mangaho tagnan’atsika jiaby

F’anao mahatanterak’ ananjy

Ankininay aminao Zagnahary e,
anao mahatanterak’ananjy
Angatahinay ny fagnampiana e, ...
Amia anay ny fahendrena à Baba a, ...
Tsinjovagna ny taranaka amam-para, ...
Tsinjovagna taranaka avy afara, ...

Tontolo iainana lavorary,
tsisy raha tsy afaka miova

Nampiditra Solofo74
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0093