Mofon-danitra iray

Nampiditra: admin
Sokajy: Komonio,


  • Antsao ny Tompo p. "351

Tany an'efitra ry Tompo ô !
No nanombohanao,
Nanomezana ny mofon-danitra,
Ho an'ny vahoakanao.

Mofo iray no hifanapahana,
Kalisy iray no hisotroana,
Ho mariky ny herinao.
Tompo ô mampifankatia anay

Tonga teto ny Zanakao,
Naka nofo toa anay,
Nampiseho anay ny fitiavana,
Nietry tena nanompo anay.

N'aiza n'aiza ry Tompo ô !
Mety alehanay,
Zava-tokana anoloanay,
Izay tena maha iray anay.

 

 


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0073 s.] - Hanohana anay