Ny Eokaristia, raiso ary hano

(Auguste Roby)

I Kristy no foto-boaloboka,
Isika indray no ratsam-batany,
Ka ny Ray no aina mamelona.
Ny Eokaristia mampitambatra antsika
Am’ireo Olomasina rehetra
Sy ny Zanak'Andriamanitra.

Fa tsy misy hoe tena tia,
Ankoatra izay mahafoy ny ainy,
Ho an'ny hafa na ny sakaizany e !
Ny nanoloranao ny Vatanao
Sy ny Rànao izay sarobidy,
Mba ho Sorom-belona hamonjy anay.

Eo aminay isan'andro Ianao
Ry Jesô Kristy Zokinay,
Mandram-pahatapitra ny fotoana.
Ny endrikao no miseho aminay
Sy tarafinay isan'andro,
Raha mandray ny Eokaristia izahay.

Ny Eokaristia e e e !
Mampiombona antsika.
Eny e e ! Raiso ary hano
Ny Eokaristia e e e ! Raiso ary hano.

Nampiditra admin
Sokajy Komonio
Antsao ny Tompo p. 349
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091