Sakafo tena fihinana

Augustin

Sakafo tena fihinana e e !
Sakafo nomen’i Jesoa.

-- Asaivo mipetraka ny olo (in-2)
-- Lazaiko marina aminareo (in-2)
-- Tsy noho izay hitanareo
-- Fa sakafo izay laninareo.

E Jesoa sakafo (in-2).

Mandehana miasa ianareo
Miasa hanina mandrakizay
Izay omen ‘ny Zanak’olona anareo
Tena sitrak’Andriamanitra.

-- E Jesoa, sakafo (in-2).

-- Razantsika tany an’efitra
-- Voky mana sady voky mofo
-- Nidina avy an-danitra
-- Izay sakafo nomen’ilay Ray.

E Jesoa, sakafo (in-2).

Nampiditra admin
Sokajy Komonio
Antsao ny Tompo p. 347
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096