Fahanonarô ny Vahoaka
Bema
Fahanonarô ny Vahoaka e i à ! 
Amia haniñy tsao azo-moafo ô !
Vahoaka mamin’ny Raiko ô !
Tsy foeko ho maty mosary e !
Aboñôsa môdy izy ireo ô !
Fa tany efitra ny eto ô !
Handeha hitady sakafo ô ! 
Fa tsisy raha efantsika !
Atsika no hiantoka azy, 
Lazao ‘zay anañanareo ô !
Mofo dimy sy laoko aroe e !
Tsy ampy besinimaro, .
Alamina tsara ny ôlo, 
Tantano izay kely misy, 
Ka zarazarao hahavoky e !
Ho sahaza besinimaro, .
Mipetraka ny ôlo jiaby, 
Ny lehilahy fo : dimy arivo, 
Fa nino irô Apôstôly, 
Ka nizarazara sakafo, .
Môfo dimy sy laoko aroe, 
Ny ôlo añ’aliñy maro, 
Dia voky sy nañan-kera, 
Sobiky folo aroe amby.
Mpaminany mahagaga, 
No efa navy amintsika, 
Hatsangantsika ho Mpanjaka, 
Mba tsy hisy lany môfo.
I Jesoa no Mpaminany, 
Hiakatra añy amin-dRainy, 
Ny Nofony sy ny Rany, 
Ho sakafom-panjakany.
Ny Eokaristia no Aiñy
Amiany ho sakafontsika, 
Sakafo any amin-dRainy, 
Ho sahaza besinimaro, .
Ny fifankatiavantsika, 
No vokatr’ity sakafo, 
Ka hamantaran’ôlo atsika
Mpampiray ny besinimaro.
I Jesoa no fôtotr’Aiñy, 
Fañahiny amiany antsika, 
Atsika vilômin-dRainy, 
Mampiray ny besinimaro.

