Takalo mahagaga: Mofo zavaboary tsotra

Nampiditra: admin
Sokajy: Komonio, Fanolorana,


  • Ankalazao ny Tompo p. "0

1. Mofo: zavaboary tsotra famahanana ny mofo
No entinao eo ambonin'ny Otely
Dia tenin'i Jesoa no tononin'ny pretra:
Hoe:"Vatako ity, atolotra ho anareo"

Fa takalo mahagaga no asetrin'Izy Ray
Koa mofo avy any an-danitra no averiny aminao
Ka atolotra ny pretra
Dia ilay Vatan'Ilay Zanak'Andriamanitra

2. Divay: fisotron'olombelona avy amin'ny voaloboka
No entinao eo ambonin'ny Otely
Dia tenin'i Jesoa no tononin'ny pretra
Hoe: "Rako ity, atolotra ho anareo"

Fa takalo mahagaga no asetrin'Izy Ray
Koa fisotro avy any an-danitra no averiny aminao
Ka atolotra ny pretra
Dia ilay Ran'Ilay Zanak'Andriamanitra


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0070 s.] - Hanohana anay