Indreto izahay lahika - Hira faneva - Andron'ny Lahika - Ambositra septambra 2018

INDRETO IZAHAY LAHIKA

1-Indreto izahay lahika, Ray Masina ô
Vonona ny handray andraikitra sy matotra e
Hanohy ny asam-pamonjena eo amin’ny Fiangonana
Hahazo hery ao am-ponay, handray ny teninao

2-Tsy mitsahatra miantso Ianao, ry Ray ô
Miantso anay lahika mba hiombona Aminao e
Hanamafy hatrany hatrany ny fiombonana
Sy manentana ny vahoaka hiara-kiasa                                                                

3-Ny fahasoavanao anie no homba anay e
Miaraka amin’ireo mpisorona voatokanao e
Vonona hanolo-tena ho an’i Kristy e
Ka tsy hivadika amin’ny toky izay natao

Fiv: Be fitiavana Ianao, ry Ray ô
Nirahinao ny Zanakao hampianatra anay e

Misaotra e ! mankasitraka e !
Misaotra e ! mankatelina e !
Vonona izahay hanohy ny asanao

Nampiditra admin
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009