Avia miondreha, ry vazantany ô

1. Avia miondreha, ry vazantany ô,
Fa lehibe ny Tompo, sy masina tokoa.
Miankohofa tsara, manatóna azy izao,
Haneho fanajana ilay mpanao anao.

2. Andriananahayry, miaiky izahay
Fa aminao ny hery tsy hay toherina:
Tsy misy maharara ny tianao hatao,
Fa ianao mpitondra izao rehetra izao.

3. Re any lavitra any izao ny herinao,
Ka isam-bazantany hiondrika aminao,
Mpanjaka sy mpitsara mahery ianao,
Miadana ny tany miankina aminao.

Nampiditra admin
Fihirana Vaovao p. 458
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009