Zanak'Andriamanitra ny Zanakao, ry Maria
Ny taranaka rehetra miantso anao hoe sambatra.
1. Fomba ahoana no hitokisana ny Tenin'Ilay Avo
Fa hitera-dahy ianao, tsy noho ny sitrapon'ny nofo?
Nefa ianao tsy mba nila famantarana fa nino.
2. Telopolo taona feno, tsy mba nisy mpahalala
No niarahan'i Jesoa taminao, ry Maria,
Nefa ianao nino Azy ho Mpamonjy ny olombelona.
3. Fa niaritra ny mafy tamin-Janakao ianao
Raha nenjehin'ireo Jody lohandohan'ny mpisorona,
Nefa ianao nino Azy ho Mpanjakan'i Israely.
4. Hitanao ny Zanakao, izay niampatra sy maty,
Tsy mba very toky ianao niandrandra fitsanganana.
Ary ianao nino Azy ho 'lay Zanak'Andriamanitra.