Nataonao inona ny rahalahinao?

1. Nataonao inona ny rahalahinao?
Fa izy nomeko mba hoe ho zandrinao,
Dia izay natao mba ho zoky sy mpiaro,
Kanefa nentinao amin'ny toerana mangina
Dia novonoinao!

Mitaraina aty amiko ny rany ankehitriny (Jen. 4, 1-10)
Nefa kosa fibebahana no sitrako!

Nataonao inona ny rahalahinao?

2. Nataonao inona ity Zanako ity?
Fa Izy no nirahiko hoe mba hanambara
Hitory aminao ireo tsiambarateloko
Kanefa famonoana feno fanalam-baràka
Izay no sitrakao!

Mitalaho fanoneram-pahotana izao ny rany:
Avelao ny hadisoany, Raiko ô (Lk. 23, 24)

Nataonao inona ity Zanako ity?

3. Nataonao inona io namanao io?
Fa izy no napetrako amin'izay ho lalanao,
Ka tiako hizaranao izay tsy foinao indrindra,
Ny masnao anefa tsy najerinao ny feriny,
Fa nolalovanao!

Nefa mbola miatso anao ilay feony mitoreo:
Miverena ka vonjeo ny fahoriany. (Lk. 10, 29-37)

Nataonao inona io namanao io?

Nataonao inona io namanao io?
Nataonao inona ny rahalahinao?
Nataonao inona ity Zanako ity?

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana - Karemy
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761