Mifona aho

(Auguste Roby)

Tsy nataoko ho fiainako ny teninao,
Tsy latsa-paka tao am-poko ny hafatrao;
Nanampin-tsofina aho ka tsy nihaino Anao,
Nanakotra ny tavako aho fa menatra Anao. (in-2).

Mahatsiaro diso aho (mifona aho),
Mifona aho ry Tompo ô ! ( ô mamelà !)
Mamelà ny heloko, Ianao ry Tompo ô !
Ry Jesô Kristy ! ( mifona aho ).
Ny Rà nalatsakao ! ( no heriko ),
Hanadio ny otako, ka hahatonga ahy
Ho zanaky ny Ray.
Tompo ô ! Mifona, mifona aho ( in-3 ).

Indro aho miankohoka anatrehanao,
Mitady famelana avy Aminao,
Satria efa maro loatra ny hadisoako.
Raiso aho Tompo ô, fa te ho Anao. (in-2).

Mahatsiaro diso aho ( mifona aho ),
Mifona aho ry Tompo ô ! ( ô mamelà !)
Mamelà ny heloko, Ianao ry Tompo ô !
Ry Jesô Kristy ! ( mifona aho ).
Ny Rà nalatsakao ! ( no heriko ),
Hanadio ny otako, ka hahatonga ahy
Ho zanaky ny Ray.
Kristy ô ! Mifona, mifona aho ( in-3 ).

Te hiova toetra aho ry Tompo ô !
Nefa mbola tsy ampy hery aho.
Omeo Fanahy Mpankahery aho.
Mba hahafahako hifikitra Aminao. (in-2).

Mahatsiaro diso aho ( Mifona aho )
Mifona aho ry Tompo ô ! ( ô mamelà ! )
Mamelà ny heloko, Ianao ry Tompo ô !
Ry Jesô Kristy ! ( Mifona aho ).
Ny Rà nalatsakao ! ( No heriko ),
Hanadio ny otako, ka hahatonga ahy
Ho zanaky ny Ray.
Tompo ô ! Mifona, mifona aho ( in-3 ).

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 230
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1076