Fifonana : Ana Zañahary

Nampiditra: admin
Sokajy: Fifonana,


  • Antsao ny Tompo p. "229

(Georgette Rasoatsara)

Oia ie e e e ia ie!
Tompo ô ! mamindrà fo aminay.

Ana Zañahary nambolabola,
Nitsitro nañame fofoko aiñy,
Kanefa izahay voavidim-bôla,
Izikoa antsôviny hañavotro aiñy,
Nasaiñy nanohy ny fahariaña,
Hikobaby sy hanjaka amin’ny voary,
Kanefa mazaña varimbariaña,
Tsy mazôto miasa fa lanin-kabary.

Oia ie e e e ia ie !
Kristy ô! mamindrà fo aminay.

Anà Mpanjakan’ny Maritiry,
Maty nitory ny fiadanana,
Kanefa izahay mpianatrà, kafiry,
Mañotiky ‘zay tia fihavanaña.
Didy vavà napetrakà,
Hifamela sy hifanasa tongotro,
Kanefa zahay mietraketraka,
Tohiniñy hely efa romodromotro.

Oia ie e e e ia ie !
Tompo ô! mamindrà fo aminay.

Fahotaña tsy tongan’ny talandôha
Manongotsongo ny tarifô ô !
Anà efa tia zahay taloha,
Fitiavaña sady mpamindra fô.
Anà Fañahy mpanolo-tsaiñy,
Mpamerin-doha ny very dia ô.
Zahay (a)za lahôsaña maforaiñy,
Mifona aminà lafikandià ô.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0890 s.] - Hanohana anay