Tompo ô, mamindra fo, Andriamanitra Ray e ! Baba añy an-dañitry e !

…(Wanghou Jean Claude)

Andriamanitra Ray e !
Baba añy an-dañitry e !
Mifona rô fa diso taminao ‘zahay;
Ianao Ray e, Baban-Jañahary e !
Mba henoy e ny talahonay aminao,

Maro loatra manko ny hadalaña vitanay e !
Ka tsy mendriky e hantsoina hoe zanakao,
Ka raiso ho andian’ondrinao
Hiaraka amin’i Jesoa Zanakao;
Tompo ô mamindra fo aminay !

Mifona aminao ‘zahay Baba e ia !

Ianao Jesoa ô, Zanak’Andriamañitra e !
Mifona rô fa diso taminao ‘zahay
Nolavinay e ny hasin’ny ranao
Nefa raiso fa zandrinao ihany

Maro loatra manko ny hadalaña vitanay e !
Ka tsy mendriky e hantsoina hoe zanakao
Ka raiso ho teña havanao,
Mba hisantatra ny hasambaraña añy an-dañitry e !
Kristy ô mamindra fo aminay !

Mifona aminao Kristy ô ô ô !

Ianao Fañahy e, nalefan’izy Ray !
Mifona rô fa diso taminao ‘zahay,
Tsy nahoanay e, ny hasina nanañanao,
Fa nilavinay e, sy nalevinay lavitry e !

Maro loatra manko ny hadalaña vitanay e !
Ka menatra hifandray aminao;
Ka raiso sady koa hamasino,
Hiray tanteraka amin’ny olona rehetra,
Fañahy ô mamindra fo aminay !

O ry Fañahy ô ô ô !

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 228
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713