Tompo ô, tsy hañano eky

Nampiditra: admin
Sokajy: Fifonana,


  • Antsao ny Tompo p. "228

(Joseph Justin)

Mitodiky aminao izahay, Zañahary Babanay.
Ianao ilay Baba Mpamindra fo,
Natôkiñy taminao e ! nandika ny didinao e !
Nandaba ny sôfiñay, tamin’ny hafatrao.

Tompo ô, tsy hañano eky e ! Tompo ô teña maneñiñy e !
Ireñy hadalaña ry Tompo ô, ifonanay !
Tompo ô ! Mamindrà fo aminay.

Mitsôtro aminao, ‘zahay Kristy ô !
Ianao Kristy Zokinay,
Ilay didim-pitiavanao e, nataonay an-kilabao e !
Nahilikilikay ny madiniky e !

Kristy ô, tsy hañano eky e ! Kristy ô teña maneñiñy e !
Ireñy hadalaña ry Kristy ô, ifonanay !
Kristy ô ! Mamindrà fo aminay.

Tsorinay aminao, ry Fanahy Masina ô !
Ianao ilay Fanahy Mpankahery, fa teña maneñiñy e !
Tamin’ireny hadalaña jiaby,
Kay maso voa sakay, ny afara tandremaña.

Tompo ô, tsy hañano eky e ! Tompo ô teña maneñiñy e !
Ireñy hadalaña ry Tompo ô, ifonanay !
Tompo ô ! Mamindrà fo aminay.


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0066 s.] - Hanohana anay