Tompo ô ! mamindra fo aminay ! Diso aho, ka iantrao fa mitalaho

(Laurence)

Tompo ô ! mamindra fo aminay !
Diso aho, ka iantrao fa mitalaho,
Avelao ny helokay ry Tomponay,
Fa ny otako no nandosirako Anao,
Mitenena Ianao, ô ry Tompo be fitia,
Dia ho voavela ny helokay miantso Anao,
Mba hiverenako Aminao (hiverenako),
Tompo ô ! mamindra fo aminay !

Kristy ô, henoy ny vavakay,
Mba sasao ny hadisoako izay mitalaho,
Toa vahotra ny lelako miantso Anao,
Mba vonjeo f’aza ariana aho Kristy ô,
Manantena aho, tsy handao ahy Ianao,
Miandry Anao aho, isan’andro isan’ora,
Mba ambeno aho fa mifefy Aminao,
Kristy ô ! henoy ny vavakay.

Tompo ô ! mamindra fo aminay !
Be fitiavana Ianao, fa mihaino ahy,
Ny Fanahy arotsahy hanafak’ahy,
Mifona re, mivalo Tompo ô,
Izao tontolo izao no indray miantso hoe :
Mivalo aho, mibebaka Aminao,
Mahatsiaro sambatra aho, mitoetra anilanao,
Tompo ô ! mamindra fo aminay !

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 227
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0839