Nanda ny irakao

(Auguste Roby)

Nandà ny irakao izahay Ray ô !
Nivily ka tsy nanao ny sitraponao,
Fa nenina anefa, manjo anay izao,
Ka tonga ndeha hibebaka.

Tompo ô ! Rainay ô !
Indro ny zanakao miantso Anao,
Amindrà fo fa diso izahay,
Tompo ô ! Amindrà fo izahay !

Nampijalinay Ianao Jeso (a) ô !
Noho ny haben'ny helokay e !
Kanefa nasandratry ny Ray Ianao,
Mba hanonerana ny otanay.

Kristy ô ! Zokinay ô !
Indro ny zandrinao miantso Anao,
Amindrà fo fa diso izahay,
Kristy ô ! Amindrà fo izahay !

Tsy nihaino Anao izahay ry Fanahy
Fa niantehitra tamin'ny herinay,
Maizina anefa ny lalanay,
Raha tsy eo ny fanilovanao.

Tompo ô ! Rainay ô !
Indro ny zanakao miantso Anao,
Amindrà fo fa diso izahay,
Tompo ô ! Amindrà fo izahay !

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 224
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101