'Reo voafidinao ihany - Raha ny momba anay aloha

1. 'Reo voafidinao ihany
Ô ry Ray Andriamanitra,
hitovy amin-Janakao
no natokanao hantsoina
sy nohamarininao
ka nomenao voninahitra.

Raha ny momba anay aloha
'zany mbola antenaina
fa ny momba an'i Maria 
tena zavatra efa tó
fa izy santatra o anay!
(Rom. 8, 29-30)

2. Izahay natao Batemy,
Ô ry Ray Andriamanitra,
efa indray natsanganao
tamin'i Kristy Jesoa
hiara-monina any an-danitra
eo an-tseza fiandrianany
(Ef. 2, 6)

3. Kristy 'lay Zanakao,
Ô ry Ray Andriamanitra
tsy nafoinao sanatria
ka ho tra-pahalovana
fa natsanganao ho velona
tamin'ny andro fahatelo.

4. Izahay ankehitriny,
Ô ry Ray Andriamanitra,
dia nandray ny Fanahy
ka mahita an-javozavo
ireo zavatry ny lanitra
toy ny amin'ny fitaratra.

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1102