(André)
Nantsoinao izahay ry Tompo,
Hiara-miasa aminao sy ny Ray,
Nefa izahay tsy nanaraka ny fahamendrehanao.
Mamindrà fo aminay !
Tompo ô ! mamindra fo aminay.
Mbola taranakao izahay ry Kristy,
Noho ny fitiavanao anay,
Nefa tsy noheverinay izany,
Noho ny fitiavan-tenanay.
Mamindrà fo aminay !
Kristy ô ! mamindra fo aminay.
Nantsoinao izahay ry Tompo,
Hitondra ireo hafatrao,
Nefa tsy notanterahinay izany,
Mamindrà fo aminay !
Tompo ô ! mamindra fo aminay.