Diso aho Tompo ô
(André Besabotsy)
Tsy nanao ny sitrakao aho ry Tompo ô.
Variana tamin’ny zava-mandalo ?
Tsy mijery Anao nahary,
Mamelà Tompo ô, diso aho.
Tompo ô (in-4)
Mamela, diso aho.
Variana mivolaña olo aho ry Kristy ô,
Tsy mahasaky mandinika ny ny tenako,
Mamody maso amin’izay marina,
Mamelà Kristy ô, diso aho.
Kristy ô (in-4)
Mamela, diso aho.
Tsy miezaka mampihavana aho ry Tompo,
Mamotika ny tsy manan-tsiny,
Mandentika ny mila ampiana.
Tompo ô (in-4)
Mamela, diso aho.